Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 145:4-9 Malagasy Bible (MG1865)

4. Ny taranaka rehetra samy hidera ny asanao amin'izay mandimby azy Sy hanambara ny asanao lehibe.

5. Ny lazan'ny voninahitry ny fiandriananao Sy ny asanao mahagaga no hosaintsainiko.

6. Ny herin'ny asanao mahatahotra no hotenenin'ny olona; Ary ny fahalehibiazanao no holazaiko.

7. Hanonona ny fahatsiarovana ny haben'ny fahatsaranao izy Sy hihoby ny fahamarinanao.

8. Mamindra fo sy miantra Jehovah; Mahari-po sady be famindram-po Izy.

9. Manisy soa izao tontolo izao Jehovah; Ary ny fiantràny dia eny amin'ny asany rehetra.

Vakio ny toko manontolo Salamo 145