Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 145:2-8 Malagasy Bible (MG1865)

2. Hankalaza Anao isan'andro aho sy hidera ny anaranao mandrakizay doria.

3. Lehibe Jehovah ka tokony hoderaina indrindra; Ary tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany .

4. Ny taranaka rehetra samy hidera ny asanao amin'izay mandimby azy Sy hanambara ny asanao lehibe.

5. Ny lazan'ny voninahitry ny fiandriananao Sy ny asanao mahagaga no hosaintsainiko.

6. Ny herin'ny asanao mahatahotra no hotenenin'ny olona; Ary ny fahalehibiazanao no holazaiko.

7. Hanonona ny fahatsiarovana ny haben'ny fahatsaranao izy Sy hihoby ny fahamarinanao.

8. Mamindra fo sy miantra Jehovah; Mahari-po sady be famindram-po Izy.

Vakio ny toko manontolo Salamo 145