toko

  1. 1
  2. 2
  3. 3
  4. 4
  5. 5
  6. 6
  7. 7
  8. 8
  9. 9
  10. 10
  11. 11
  12. 12
  13. 13
  14. 14
  15. 15
  16. 16
  17. 17
  18. 18
  19. 19
  20. 20
  21. 21
  22. 22
  23. 23
  24. 24
  25. 25
  26. 26
  27. 27
  28. 28
  29. 29
  30. 30
  31. 31
  32. 32
  33. 33
  34. 34
  35. 35
  36. 36
  37. 37
  38. 38
  39. 39
  40. 40
  41. 41
  42. 42
  43. 43
  44. 44
  45. 45
  46. 46
  47. 47
  48. 48
  49. 49
  50. 50
  51. 51
  52. 52
  53. 53
  54. 54
  55. 55
  56. 56
  57. 57
  58. 58
  59. 59
  60. 60
  61. 61
  62. 62
  63. 63
  64. 64
  65. 65
  66. 66
  67. 67
  68. 68
  69. 69
  70. 70
  71. 71
  72. 72
  73. 73
  74. 74
  75. 75
  76. 76
  77. 77
  78. 78
  79. 79
  80. 80
  81. 81
  82. 82
  83. 83
  84. 84
  85. 85
  86. 86
  87. 87
  88. 88
  89. 89
  90. 90
  91. 91
  92. 92
  93. 93
  94. 94
  95. 95
  96. 96
  97. 97
  98. 98
  99. 99
  100. 100
  101. 101
  102. 102
  103. 103
  104. 104
  105. 105
  106. 106
  107. 107
  108. 108
  109. 109
  110. 110
  111. 111
  112. 112
  113. 113
  114. 114
  115. 115
  116. 116
  117. 117
  118. 118
  119. 119
  120. 120
  121. 121
  122. 122
  123. 123
  124. 124
  125. 125
  126. 126
  127. 127
  128. 128
  129. 129
  130. 130
  131. 131
  132. 132
  133. 133
  134. 134
  135. 135
  136. 136
  137. 137
  138. 138
  139. 139
  140. 140
  141. 141
  142. 142
  143. 143
  144. 144
  145. 145
  146. 146
  147. 147
  148. 148
  149. 149
  150. 150

Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 144 Malagasy Bible (MG1865)

Fiderana an'Andriamanitra noho ny nanambinany ny mpanjaka, ary filazana ny mahatsinontsinona ny olombelona sy ny soa hitan'ny mpanompon'Andriamanitra

1. Nataon'i Davida. Isaorana anie Jehovah Vatolampiko, Izay mampianatra ny tanako hamely Sy ny rantsan-tanako hiady,

2. Izay Mpiantra sy batery fiarovana ho ahy sady fiarovana avo sy Mpanafaka ahy, Ary ampingako sy fialofako, Izay mahafolaka ny vahoakako hanoa ahy

3. Jehovah ô, inona ny olona, no iahianao azy? Ary ny zanak'olombelona, no iheveranao azy?

4. Ny olona dia tahaka ny zava-poana, Ny androny dia tahaka ny aloka mihelina.

5. Jehovah ô, aondreho ny lanitrao, ka midina; Tendreo ny tendrombohitra, dia hidonaka ireny.

6. Ampitselatselaro ny helatra, ka ampielezo ireo; Alefao ny zana-tsipìkanao, ka ampifanaritaho ireo;

7. Ahinjiro avy any ambony ny tananao; Afaho aho, ka vonjeo amin'ny rano be, Dia amin'ny tanan'ny hafa firenena,

8. Izay miteny zava-poana amin'ny vavany, Ary ny tànany ankavanana dia tanana ankavanana mamitaka.

9. Andriamanitra ô, hihira fihiram-baovao ho Anao aho; Amin'ny valiha tory folo no hankalazako Anao,

10. Izay manome famonjena ho an'ireo mpanjaka, Sady mamonjy an'i Davida mpanompony tsy ho voan'ny sabatra mandratra.

11. Afaho aho, ka vonjeo amin'ny tanan'ny hafa firenena, Izay miteny zava-poana amin'ny vavany, Ary ny tànany ankavanana dia tanana ankavanana mamitaka;

12. Mba ho tahaka ny zava-maniry maroroka ny zanakai-lahy, Ary ho tahaka ny vato fehizoro voasoratra tsara toy ny fomban'ny lapan'andriana ny zanakai-vavy.

13. Ho feno ny trano fitehirizanay, ka hisy vokatra betsaka samy hafa karazana; Hiteraka arivoarivo sy alinalina ny ondrinay any an-tsahanay;

14. Hahazaka be ny ombinay, Ary tsy hisy ho rava, na ho lasan-ko babo, Sady tsy hisy fitarainana any an-dalambenay.

15. Sambatra ny firenena izay tahaka izany; Eny, sambatra ny firenena izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny.