Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 143:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, henoy ny fivavako, ary atongilano amin'ny fifonako ny sofinao; Valio aho araka ny teninao marina sy ny fahamarinanao.

2. Ary aza dia mifandahatra amin'ny mpanomponao eo am-pitsarana; Fa tsy misy olombelona ho marina eo anatrehanao.

3. Fa nanenjika ny fanahiko ny fahavalo; Namely ny aiko ho lavo tamin'ny tany izy: Nampitoeriny tao amin'ny maizina aho, toy izay efa maty ela.

4. Dia reraka ny fanahiko ato anatiko; Fadiranovana ny foko ato anatiko.

5. Mahatsiaro ny andro fahiny ho Ary misaina ny asanao rehetra; Ny asan'ny tananao no eritreretiko.

6. Mananty tanana aminao aho; Ny fanahiko dia tahaka ny tany mangetana eo anatrehanao.

7. Faingàna hamaly ahy, Jehovah ô, fa reraka ny fanahiko; Aza manafina ny tavanao amiko, Fandrao ho tahaka izay midina any am-pasana aho.

Vakio ny toko manontolo Salamo 143