Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 140:6-13 Malagasy Bible (MG1865)

6. Hoy izaho tamin'i Jehovah Andriamanitro Hianao; Henoy ny feon'ny fifonako, Jehovah ô!

7. Jehovah, Tompo ô, ry Herin'ny famonjena ahy, Manarona ny lohako amin'ny andro fiadiana Hianao.

8. Jehovah ô, aza manome ny irin'ny ratsy fanahy; Ary aza avela ho tanteraka ny hevi-dratsiny, fandrao hisandratra izy.

9. Ny lohan'izay manemitra ahy Dia aoka hosaronan'ny ratsy tononin'ny molony.

10. Aoka hisy vain'afo halatsaka aminy; Aoka hariana any anaty afo izy, na any amin'ny rano lalina, ka tsy hiarina intsony.

11. Tsy hampitoerina amin'ny tany ny olo-mahay vava; Henjehin-doza ny olon-dozabe ka ho lavo.

12. Fantatro fa Jehovah no handahatra ny tenin'ny mahantra Sady hanome rariny ho an'ny malahelo.

13. Eny tokoa, ny marina hisaotra ny anaranao; Hitoetra eo anatrehanao ny mahitsy.

Vakio ny toko manontolo Salamo 140