Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 14:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida. Ny adala manao anakampo hoe: tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy; tsy misy manao ny tsara.

2. Eny an-danitra Jehovah miondrika mijery ny zanak'olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an'Andriamanitra.

3. Samy efa nivily izy rehetra ka tonga vetaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza.

4. Tsy mahalala va ny mpanao ratsy rehetra, izay mihinana ny oloko toy ny fihinan-kanina, ary Jehovah tsy antsoiny?

5. Indreo, matahotra dia matahotra izy, satria Andriamanitra no eo amin'ny taranaka marina.

Vakio ny toko manontolo Salamo 14