Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 139:1-13 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, efa nandinika ahy Hianao ka mahalala ahy.

2. Hianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako Sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny.

3. Voadinikao ny toetro, na mandeha aho, na mandry; Ary fantatrao tsara ny alehako rehetra.

4. Fa, indro, tsy misy teny tsy fantatrao eo amin'ny lelako, Jehovah ô.

5. Manodidina ahy eo ivohoko sy eo anatrehako Hianao, Ary apetrakao amiko ny tananao.

6. Fahalalana mahagaga ahy loatra izany, Eny, avo loatra ka tsy tratro.

7. Aiza no hialako amin'ny Fanahinao? Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao?

8. Na dia miakatra any an-danitra aza aho dia any Hianao; Ary na dia manao ny fiainan-tsi-hita ho fandriako aza aho, indro, any Hianao.

9. Na dia maka ny elatry ny maraina aza aho, Mba hitoetra any am-paran'ny ranomasina,

10. Dia mbola entin'ny tananao ihany aho, na dia izany aza, Sy hazonin'ny tananao ankavanana.

11. Ary na dia hoy izaho aza: Aoka ny maizina hanarona ahy, Ary aoka ny mazava manodidina ahy ho tonga alina,

12. Tsia, fa ny maizina aza tsy mahamaizina aminao; Fa ny alina dia mahazava toy ny andro ihany, Ka sahala ny mazava sy ny maizina.

13. Fa Hianao no nahary ny voako; Namolavola ahy tao an-kibon-dreniko Hianao.

Vakio ny toko manontolo Salamo 139