Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 137:1-3 Malagasy Bible (MG1865)

1. Teo amoron'ny onin'i Babylona no nipetrahanay, Sady nitomanianay, raha nahatsiaro an'i Ziona.

2. Teo amin'ny hazomalahelo teo afovoan'i Babylona No nanantonanay ny lokanganay.

3. Fa teo dia nangataka anay hihira izay namabo anay; Ary izay nampahory anay nangataka anay hanao fifaliana ka nanao hoe: Manaova hiran'i Ziona eto anatrehanay.

Vakio ny toko manontolo Salamo 137