Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 135:11-21 Malagasy Bible (MG1865)

11. Dia Sihona, mpanjakan'ny Amorita, Sy Oga, mpanjakan'i Basana, Ary ny fanjakan'i Kanana rehetra;

12. Ary ny taniny nomeny ho lova, Eny, ho lovan'ny Isiraely olony.

13. Jehovah ô, mandrakizay ny anaranao; Jehovah ô, hihatra amin'ny taranaka fara mandimby ny fahatsiarovana Anao.

14. Fa hanome rariny ny olony Izy Ary hanenina ny amin'ny mpanompony.

15. Ny sampin'ny jentilisa dia volafotsy sy volamena, Asan'ny tànan'olona;

16. Manam-bava izy, fa tsy miteny; Mana-maso izy, fa tsy mahita;

17. Manan-tsofina izy, fa tsy mandre; Ary tsy misy fofonaina ao am-bavany.

18. Ho tahaka azy izay manao azy Sy izay rehetra matoky azy.

19. Misaora an'i Jehovah, ry taranak'Isiraely; Misaora an'i Jehovah, ry taranak'i Arona;

20. Misaora an'i Jehovah, ry taranak'i Levy; Hianareo izay matahotra an'i Jehovah, misaora an'i Jehovah.

21. Isaorana avy any Ziona anie Jehovah, Izay mitoetra any Jerosalema. Haleloia.

Vakio ny toko manontolo Salamo 135