Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 135:1-15 Malagasy Bible (MG1865)

1. Haleloia. Miderà ny anaran'i Jehovah; Miderà, ianareo mpanompon'i Jehovah,

2. Hianareo izay mpitoetra ao an-tranon'i Jehovah, Eo anatin'ny kianjan'ny tranon'Andriamanitsika.

3. Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Mankalazà ny anarany, fa mahafinaritra izany.

4. Fa Jakoba nofidin'i Jehovah ho Azy, Ary Isiraely ho rakitra soa ho Azy,

5. Fa fantatro fa lehibe Jehovah, Ary ambonin'ny andriamanitra rehetra ny Tompontsika.

6. Manao izay sitrapony rehetra Jehovah, Na any amin'ny lanitra, na etỳ ambonin'ny tany, Na any amin'ny ranomasina sy ny rano lalina rehetra.

7. Mampiakatra zavona avy amin'ny faran'ny tany Izy; Manao helatra arahin-dranonorana Izy; Mamoaka ny rivotra avy ao an-trano fitehirizany Izy,

8. Dia Ilay namely ny voalohan-terak'i Egypta, Na olona, na biby.

9. Nanatitra famantarana sy fahagagana teo aminao Izy, ry Egypta ô, Eny, tamin'i Farao sy ny mpanompony rehetra,

10. Dia Ilay namely ny jentilisa maro Ka nahafaty mpanjaka mahery,

11. Dia Sihona, mpanjakan'ny Amorita, Sy Oga, mpanjakan'i Basana, Ary ny fanjakan'i Kanana rehetra;

12. Ary ny taniny nomeny ho lova, Eny, ho lovan'ny Isiraely olony.

13. Jehovah ô, mandrakizay ny anaranao; Jehovah ô, hihatra amin'ny taranaka fara mandimby ny fahatsiarovana Anao.

14. Fa hanome rariny ny olony Izy Ary hanenina ny amin'ny mpanompony.

15. Ny sampin'ny jentilisa dia volafotsy sy volamena, Asan'ny tànan'olona;

Vakio ny toko manontolo Salamo 135