Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 13:2-6 Malagasy Bible (MG1865)

2. Mandra-pahoviana no mbola hisaintsainako am-panahy, sy hahalahelovako am-po isan'andro? Mandra-pahoviana no mbola hisandratan'ny fahavaloko ho amboniko?

3. Jereo aho ka valio, Jehovah Andriamanitro ô; ampahazavao ny mazoto, fandrao renoky ny torimaso fahafatesana aho;

4. Fandrao ny fahavaloko hanao hoe: naharesy azy aho, fandrao hifaly ny rafilahiko, raha mangozohozo aho.

5. Fa raha izaho kosa, dia ny famindram-ponao no itokiako; ho faly amin'ny famonjenao ny foko.

6. Hihira ho an'i Jehovah aho, satria nanisy soa ahy Izy;

Vakio ny toko manontolo Salamo 13