Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 128:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Fihirana fiakarana. Sambatra izay rehetra matahotra an'i Jehovah, Dia izay mandeha amin'ny lalany.

2. Fa hohaninao tokoa ny asan'ny tananao; Sambatra sady ambinina ianao.

3. Ny vadinao dia tahaka ny voaloboka mahavokatra Ao anatin'ny tranonao; Ny zanakao dia tahaka ny zanak'oliva Manodidina ny latabatrao.

4. Indro, fa toy izany no hitahiana Izay lehilahy matahotra an'i Jehovah.

5. Hitahy anao avy any Ziona anie Jehovah; Ary ho faly hahita ny fahasoavan'i Jerosalema anie ianao Amin'ny andro rehetra hiainanao.

6. Eny, hahita ny zafinao anie ianao; Fiadanana anie ho amin'ny Isiraely.

Vakio ny toko manontolo Salamo 128