Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 128:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Fihirana fiakarana. Sambatra izay rehetra matahotra an'i Jehovah, Dia izay mandeha amin'ny lalany.

2. Fa hohaninao tokoa ny asan'ny tananao; Sambatra sady ambinina ianao.

3. Ny vadinao dia tahaka ny voaloboka mahavokatra Ao anatin'ny tranonao; Ny zanakao dia tahaka ny zanak'oliva Manodidina ny latabatrao.

4. Indro, fa toy izany no hitahiana Izay lehilahy matahotra an'i Jehovah.

Vakio ny toko manontolo Salamo 128