Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 119:77-90 Malagasy Bible (MG1865)

77. Aoka ho tonga amiko ny fiantranao, mba ho velona aho; Fa ny lalànao no firavoravoako.

78. Aoka ho menatra ny mpirehareha, fa nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana izy; Izaho hisaintsaina ny didinao.

79. Aoka hiverina amiko izay matahotra Anao Sy izay mahalala ny teni-vavolombelonao.

80. Aoka ho marina tsara ny foko amin'ny fitanana ny didinao, Mba tsy ho menatra aho.

81. Ritra ny aiko, satria manina ny famonjenao aho; Ny teninao no andrasako.

82. Pahina ny masoko miandry ny teninao, Ka hoy izaho: Rahoviana no hampionona ahy Hianao?

83. Fa tahaka ny siny hoditra ao amin'ny setroka aho. Nefa ny didinao tsy mba hadinoiko.

84. Hoatrinona no andron'ny mpanomponao? Rahoviana no hanao fitsarana amin'izay manenjika ahy Hianao?

85. Efa nanao longoa hianjerako ny mpirehareha, Dia izay tsy manaraka ny lalànao.

86. Marina ny didinao rehetra; Manenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana ireny; vonjeo aho.

87. Saiky laniny teo amin'ny tany aho, Kanefa tsy mba mahafoy ny didinao.

88. Velomy aho araka ny famindram-ponao; Dia hitandrina ny teni-vavolombelona naloaky ny vavanao aho.

89. Ho mandrakizay, Jehovah ô, No nanorenanao any an-danitra ny teninao.

90. Hihatra amin'ny taranaka fara-mandimby ny fahamarinanao; Efa nampitoetra ny tany Hianao, ka, indro, mitoetra izy.

Vakio ny toko manontolo Salamo 119