74. Izay matahotra Anao hahita ahy ka ho faly; Fa ny teninao no andrasako.
75. Fantatro, Jehovah ô, fa marina ny fitsaranao. Ary ny fahamarinanao no nampahorianao ahy.
76. Ny famindram-ponao anie no hampiononana ahy Araka ny teninao tamin'ny mpanomponao.
77. Aoka ho tonga amiko ny fiantranao, mba ho velona aho; Fa ny lalànao no firavoravoako.
78. Aoka ho menatra ny mpirehareha, fa nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana izy; Izaho hisaintsaina ny didinao.
79. Aoka hiverina amiko izay matahotra Anao Sy izay mahalala ny teni-vavolombelonao.
80. Aoka ho marina tsara ny foko amin'ny fitanana ny didinao, Mba tsy ho menatra aho.
81. Ritra ny aiko, satria manina ny famonjenao aho; Ny teninao no andrasako.
82. Pahina ny masoko miandry ny teninao, Ka hoy izaho: Rahoviana no hampionona ahy Hianao?