Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 119:61-72 Malagasy Bible (MG1865)

61. Nihodidina tamiko ny famato-ran'ny ratsy fanahy; Tsy mba nanadino ny lalànao aho.

62. Mamatonalina no hifohazako hidera Anao Noho ny fitsipikao marina.

63. Naman'izay rehetra matahotra Anao aho Sy naman'izay mitandrina ny didinao.

64. Jehovah ô, henika ny famindram-ponao ny tany; Ampianaro ahy ny didinao.

65. Jehovah ô, efa nasianao soa ny mpanomponao, Araka ny teninao.

66. Ampianaro fahafantarana tsara sy fahalalana aho, Fa matoky ny didinao aho.

67. Fony tsy mbola azom-pahoriana aho, dia naniasia; Fa ankehitriny dia mitandrina ny teninao aho.

68. Sady tsara Hianao no Mpanao ny tsara; Ampianaro ahy ny didinao.

69. Namoron-dainga hamelezana ahy ny mpirehareha; Amin'ny foko rehetra no itandremako ny didinao.

70. Matavy tahaka ny menaka ny fony; Fa izaho kosa, dia ny lalànao no iravoravoako.

71. Soa ihany aho nampahorina, Mba hianarako ny didinao.

72. Ny lalàn'ny vavanao no mahatsara ahy Mihoatra noho ny volamena sy ny volafotsy tsy omby arivo.

Vakio ny toko manontolo Salamo 119