Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 119:30-41 Malagasy Bible (MG1865)

30. Ny lalàn'ny fahamarinanao no fidiko; Apetrako eo anatrehako ny fitsipikao.

31. Mifikitra amin'ny teni-vavolombelonao aho; Jehovah ô, aza avela ho azon-kenatra aho;

32. Ny lalan'ny didinao no ihazakazahako, Fa ampahalalahinao ny foko.

33. Jehovah ô, toroy ny lalan'ny didinao aho; Dia hotandremako hatramin'ny farany izany.

34. Omeo fahalalana aho mba hitandrina ny lalànao; Eny, hitandrina azy amin'ny foko rehetra aho.

35. Ampandehano amin'ny lalan'ny didinao aho; Fa izany no sitrako.

36. Amporisiho ny foko ho amin'ny teni-vavolombelonao, Fa tsy ho amin'ny fieremana.

37. Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana; Velomy amin'ny lalanao aho.

38. Tovy ny teninao amin'ny mpanomponao, Izay matahotra Anao indrindra.

39. Esory ny fahafaham-baraka. izay atahorako; Fa tsara ny fitsipikao.

40. Indro, manina ny didinao aho, Velomy amin'ny fahamarinanao.

41. Aoka ho tonga amiko ny famindram-ponao, Jehovah ô, Dia ny famonjenao, araka ny teninao.

Vakio ny toko manontolo Salamo 119