Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 119:3-15 Malagasy Bible (MG1865)

3. Eny, Izay tsy manao ratsy. Fa mandeha araka ny lalany.

4. Hianao namoaka ny didinao Mba hotandremana tsara.

5. Enga anie ka ho tafatoetra ny lalako Hitandremako ny didinao!

6. Dia tsy ho menatra aho, Raha mandinika ny didinao rehetra.

7. Hidera Anao amin'ny hitsim-po aho Amin'ny ianarako ny fitsipikao marina.

8. Ny didinao no hotandremako; Aza dia mahafoy ahy Hianao.

9. Inona no hiarovan'ny zatovo ny lalan-kalehany tsy ho voaloto? Ny fitandremana araka ny teninao.

10. Tamin'ny foko rehetra no nitadiavako Anao; Aza avela hivily hiala amin'ny didinao aho.

11. Ato am-poko no iraketako ny teninao, Mba tsy hanotako aminao.

12. Isaorana anie Hianao, Jehovah ô; Ampianaro ahy ny didinao.

13. Ny molotro no nentiko nilaza Ny fitsipika rehetra naloaky ny vavanao.

14. Ny lalan'ny teni-vavolombelonao no ifaliako, Tahaka ny ifaliako amin'ny harena rehetra.

15. Ny didinao no hosaintsainiko, Ary hodinihiko ny lalanao.

Vakio ny toko manontolo Salamo 119