Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 119:23-34 Malagasy Bible (MG1865)

23. Na dia ny mpanapaka aza dia mipetraka, ka iokoany aho; Izaho mpanomponao misaintsaina ny didinao.

24. Ny teni-vavolombelonao koa no firavoravoako, Eny, mpanolo-tsaina ahy izany.

25. Miraikitra amin'ny vovoka ny fanahiko; Velomy aho araka ny teninao.

26. Ny lalako no nolazaiko, ary namaly ahy Hianao: Ampianaro ahy ny didinao.

27. Ampahalalao ahy ny lalan'ny didinao; Dia hoheveriko ny fahagagana nataonao.

28. Mipotrapotra-dranomaso aho noho ny alaheloko; Ampaherezo aho araka ny teninao.

29. Ny lalan'ny lainga no esory amiko: Ary ny lalànao no anasoavy ahy.

30. Ny lalàn'ny fahamarinanao no fidiko; Apetrako eo anatrehako ny fitsipikao.

31. Mifikitra amin'ny teni-vavolombelonao aho; Jehovah ô, aza avela ho azon-kenatra aho;

32. Ny lalan'ny didinao no ihazakazahako, Fa ampahalalahinao ny foko.

33. Jehovah ô, toroy ny lalan'ny didinao aho; Dia hotandremako hatramin'ny farany izany.

34. Omeo fahalalana aho mba hitandrina ny lalànao; Eny, hitandrina azy amin'ny foko rehetra aho.

Vakio ny toko manontolo Salamo 119