16. Ny didinao no hiravoravoako: Tsy hohadinoiko ny teninao.
17. Asio soa aho mpanomponao, mba ho velona Ka hitandrina ny teninao.
18. Ampahirato ny masoko, mba hahitako Zava-mahagaga ao amin'ny lalànao.
19. Vahiny etỳ an-tany aho; Aza afeninao ahy ny didinao.
20. Torotoro ny fanahiko noho ny faniriany Ny fitsipikao mandrakariva.
21. Voateninao mafy ny mpirehareha, dia ny olom-boaozona, Izay mania miala amin'ny didinao.
22. Esory amiko ny fahafaham-baraka sy ny fanamavoana: Fa efa nitandrina ny teni-vavolombelonao aho.
23. Na dia ny mpanapaka aza dia mipetraka, ka iokoany aho; Izaho mpanomponao misaintsaina ny didinao.