Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 119:159-171 Malagasy Bible (MG1865)

159. He ny fitiavako ny didinao! Jehovah ô, velomy aho araka ny famindram-ponao.

160. Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao; Ary mandrakizay ny fitsipikao marina rehetra.

161. Na dia ny mpanapaka aza dia nanenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana; Nefa ny teninao no atahoran'ny foko.

162. Faly aho noho ny teninao Tahaka ny mahazo babo be.

163. Halako ny lainga ka ataoko ho fahavetavetana; Ny lalànao no tiako.

164. Impito isan'andro no iderako Anao Noho ny fitsipikao marina.

165. Be fiadanana izay tia ny lalànao, Ary tsy misy mahatafintohina azy.

166. Miandry ny famonjenao aho, Jehovah ô, Ka mankatò ny didinao.

167. Mitandrina ny teni-vavolombelonao ny fanahiko, Ka tiako indrindra izy.

168. Mitandrina ny didinao sy ny teni-vavolombelonao aho; Fa ny lalan-kalehako rehetra dia eo anatrehanao.

169. Aoka anie ho tonga eo anatrehanao ny fitarainako, Jehovah ô; Ampianaro aho araka ny teninao.

170. Aoka anie ho tonga eo anatrehanao ny fifonako; Vonjeo aho araka ny teninao.

171. Aoka hiboiboika fiderana ny molotro, Fa ampianarinao ahy ny didinao.

Vakio ny toko manontolo Salamo 119