147. Raha mbola tsy nazavaratsy aza ny andro, dia nitaraina aho; Ny teninao no andrasako.
148. Nialoha ny fiambenana amin'ny alina ny masoko, Mba hisaintsainako ny teninao.
149. Henoy ny feoko araka ny famindram-ponao, Jehovah ô, Velomy aho araka ny fitsipikao.
150. Efa mby akaiky izay fatra-panaraka ny ratsy, Dia izay manalavitra ny lalànao.
151. Akaiky Hianao, Jehovah ô; Ary marina ny didinao rehetra.
152. Efa fantatro ela tamin'ny teni-vavolombelonao Fa nampitoerinao ho mandrakizay ireny.
153. Jereo ny fahoriako, ka vonjeo aho; Fa ny lalànao tsy mba hadinoiko.
154. Soloy vava aho, ka vonjeo; Velomy aho araka ny teninao.
155. Lavitra ny ratsy fanahy ny famonjena, Satria ny didinao tsy tadiaviny.
156. Lehibe ny antranao, Jehovah ô; Velomy aho araka ny fitsipikao.
157. Maro ny mpanenjika sy mpandrafy ahy; Tsy mba niala tamin'ny teni-vavolombelonao aho.
158. Mijery ny mpivadika aho, ka maharikoriko ahy ireny, Dia izay tsy nitandrina ny teninao.
159. He ny fitiavako ny didinao! Jehovah ô, velomy aho araka ny famindram-ponao.
160. Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao; Ary mandrakizay ny fitsipikao marina rehetra.
161. Na dia ny mpanapaka aza dia nanenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana; Nefa ny teninao no atahoran'ny foko.
162. Faly aho noho ny teninao Tahaka ny mahazo babo be.
163. Halako ny lainga ka ataoko ho fahavetavetana; Ny lalànao no tiako.