Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 119:132-141 Malagasy Bible (MG1865)

132. Todiho aho, ka mamindrà fo amiko, Araka ny tokony ho anjaran'izay tia ny anaranao.

133. Ampitoero eo amin'ny teninao ny diako; Ary aza avela hanapaka ahy izay mety ho faharatsiana.

134. Vonjeo amin'ny fampahorian'ny olona Dia hitandrina ny didinao.

135. Ampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao; Ary ampianaro ahy ny didinao.

136. Rano mandriaka no mijononoka amin'ny masoko Noho ny tsi-fitandreman'ny olona ny lalànao.

137. Marina Hianao, Jehovah ô, Ary mahitsy ny fitsipikao.

138. Efa voadidinao amin'ny fahamarinana Sy ny fahatokiana indrindra ny teni-vavolombelonao.

139. Efa maharitra aina ahy ny fahasaro-piaroko, Satria nanadino ny teninao ny mpandrafy ahy.

140. Voazaha toetra tamin'ny memy ny teninao, Ka dia tian'ny mpanomponao.

141. Kely aho ka natao ho tsinontsinona; Nefa tsy hadinoiko ny didinao.

Vakio ny toko manontolo Salamo 119