Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 119:128-140 Malagasy Bible (MG1865)

128. Izany no iheverako ny didy rehetra ho marina avokoa; Halako ny lalam-pitaka rehetra;

129. Mahagaga ny teni-vavolombelonao, Ka dia mitandrina azy ny fanahiko.

130. Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao Ka manome fahalalana ho an'ny kely saina.

131. Mitanatana vava aho ka mihanahana, Fa ny didinao no iriko.

132. Todiho aho, ka mamindrà fo amiko, Araka ny tokony ho anjaran'izay tia ny anaranao.

133. Ampitoero eo amin'ny teninao ny diako; Ary aza avela hanapaka ahy izay mety ho faharatsiana.

134. Vonjeo amin'ny fampahorian'ny olona Dia hitandrina ny didinao.

135. Ampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao; Ary ampianaro ahy ny didinao.

136. Rano mandriaka no mijononoka amin'ny masoko Noho ny tsi-fitandreman'ny olona ny lalànao.

137. Marina Hianao, Jehovah ô, Ary mahitsy ny fitsipikao.

138. Efa voadidinao amin'ny fahamarinana Sy ny fahatokiana indrindra ny teni-vavolombelonao.

139. Efa maharitra aina ahy ny fahasaro-piaroko, Satria nanadino ny teninao ny mpandrafy ahy.

140. Voazaha toetra tamin'ny memy ny teninao, Ka dia tian'ny mpanomponao.

Vakio ny toko manontolo Salamo 119