Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 119:104-123 Malagasy Bible (MG1865)

104. Ny didinao no nahazoako fahalalana; Izany no ankahalako ny lalam-pitaka rehetra.

105. Fanilon'ny tongotro Sy fanazavana ny lalako ny teninao.

106. Efa nianiana aho fa hitandrina ny fitsipikao marina, Ka nefaiko izany.

107. Ampahorina indrindra aho; Jehovah ô, velomy aho araka ny teninao.

108. Jehovah ô, aoka anie mba hankasitrahanao ny fanati-tsitrapo aloaky ny vavako, Ary ampianaro ahy ny fitsipikao.

109. An-tenda ihany ny aiko mandrakariva; Kanefa tsy manadino ny lalànao aho.

110. Ny ratsy fanahy mamela-pandrika haningotra ahy; Kanefa tsy mania miala amin'ny didinao aho.

111. Efa noraisiko ho lovako mandrakizay ny teni-vavolombelonao, Satria fifalian'ny foko izany.

112. Apetrako ny foko hankatò ny didinao Mandrakizay hatramin'ny farany.

113. Halako ny mpiroa saina; Fa ny lalànao no tiako.

114. Fiereko sy ampingako Hianao; Ny teninao no andrasako.

115. Mialà amiko ianareo mpanao ratsy, Mba hitandremako ny didin'Andriamanitro.

116. Tohàny aho araka ny teninao, mba ho velona, Ary aoka tsy ho menatra amin'ny fanantenako aho.

117. Tohàny aho mba ho voavonjy, Ka ho faly hijery ny didinao mandrakariva.

118. Ataonao tsinontsinona izay rehetra mania amin'ny didinao; Fa famitahan-tena ihany ny laingany.

119. Efa nataonao fanary tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany; Izany no itiavako ny teni-vavolombelonao.

120. Mipararetra ny nofoko ny fahatahorana Anao, Ary matahotra ny fitsaranao aho.

121. Manaraka ny fitsipika sy ny fahamarinana aho; Aza manolotra ahy ho amin'ny mpampahory ahy.

122. Iantohy mba ho soa ny mpanomponao; Aza avela hampahory ahy ny mpirehareha.

123. Pahina ny masoko miandry ny famonjenao. Sy ny tenin'ny fahamarinanao.

Vakio ny toko manontolo Salamo 119