Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 113:3-9 Malagasy Bible (MG1865)

3. Hatramin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany No hoderaina anie ny anaran'i Jehovah.

4. Avo ambonin'ny jentilisa Jehovah; Ambonin'ny lanitra ny voninahiny.

5. Iza no tahaka an'i Jehovah Andriamanitsika, Izay mipetraka any amin'ny avo,

6. Nefa miondrika mijery Ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany?

7. Manangana ny malahelo hiala amin'ny vovoka Izy Ary manandratra ny mahantra ho afaka eo amin'ny zezika,

8. Mba hametraka azy ho naman'ny mpanapaka ny olony.

9. Mampitoetra tsara ny momba Izy, Fa mahatonga azy ho renin-jaza mifaly. Haleloia.

Vakio ny toko manontolo Salamo 113