8. Ahy Gileada, Ahy Manase; Ary aron'ny lohako Efraima; Tehim-panjakako Joda;
9. Tavindranoko fanasana Moaba; Edoma no hanipazako ny kapako; noho ny amin'i Filistia ho hihobiako.
10. Iza no hitondra ahy ho any an-tanàna mafy? Iza no hitarika ahy ho any Edoma?
11. Tsy Hianao va no efa nanary anay, Andriamanitra ô, Sady tsy mivoaka miaraka amin'ny miaramilanay, Andriamanitra ô?