Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 108:5-13 Malagasy Bible (MG1865)

5. Misandrata any ambonin'ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; Ary aoka ho etỳ ambonin'ny tany rehetra ny voninahitrao.

6. Mba hahafaka ny malalanao, Dia vonjeo amin'ny tananao ankavanana aho, ka valio.

7. Andriamanitra niteny tamin'ny fahamasinany hoe: Hifaly Aho ka hizara an'i Sekema, Ary ny lohasahan'i Sokota horefesiko;

8. Ahy Gileada, Ahy Manase; Ary aron'ny lohako Efraima; Tehim-panjakako Joda;

9. Tavindranoko fanasana Moaba; Edoma no hanipazako ny kapako; noho ny amin'i Filistia ho hihobiako.

10. Iza no hitondra ahy ho any an-tanàna mafy? Iza no hitarika ahy ho any Edoma?

11. Tsy Hianao va no efa nanary anay, Andriamanitra ô, Sady tsy mivoaka miaraka amin'ny miaramilanay, Andriamanitra ô?

12. Vonjeo amin'ny fahavalo izahay; Fa zava-poana ny famonjena ataon'ny olona.

13. Andriamanitra no haharezan-tsika; Fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.

Vakio ny toko manontolo Salamo 108