Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 105:37-45 Malagasy Bible (MG1865)

37. Ary dia nitondra ny olony nivoaka Izy sady nampahazo azy volafotsy sy volamena; Ary tsy nisy nangozohozo na dia iray akory aza tamin'ny fireneny.

38. Faly Egypta tamin'ny nahalasanany; Fa efa nahazo azy ny fahatahorana ireo.

39. Namelatra rahona ho fialokalofana Izy Ary afo ho fanazavana nony alina.

40. Nangataka izy ireo, dia nahatonga papelika Izy, Ary mofon-danitra no namokisany azy.

41. Nanokatra ny vatolampy Izy, dia nigororoana ny rano Ka nandriaka tamin'ny tany maina ho renirano.

42. Fa nahatsiaro ny teniny masina Sy Abrahama mpanompony Izy,

43. Dia nitondra ny olony nivoaka tamin'ny fifaliana Izy Ary ny voafidiny tamin'ny fihobiana;

44. Ka dia nanome azy ny tanin'ny jentilisa Izy; Ary nandova ny vitan'ny firenena maro ireny,

45. Mba hitandremany ny didiny, Sy hankatoavany ny lalàny. Haleloia.

Vakio ny toko manontolo Salamo 105