Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 104:30-35 Malagasy Bible (MG1865)

30. Maniraka ny Fanahinao Hianao, dia ary izy, Ary manavao ny tarehin'ny tany Hianao.

31. Ho mandrakizay anie ny voninahitr'i Jehovah; Aoka Jehovah hifaly amin'ny asany.

32. Jereny ny tany, dia mihorohoro; Tendren'ny tànany ny tendrombohitra, dia midonaka.

33. Hihira ho an'i Jehovah aho, raha mbola velona koa; Hankalaza an'Andriamanitro aho, raha mbola miaina.

34. Ho maminy anie ny fisainako Azy; Izaho no hifaly amin'i Jehovah.

35. Ho lany ringana tsy ho etỳ amin'ny tany ny mpanota, Ary ny ratsy fanahy tsy ho etỳ intsony. Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko. Haleloia.

Vakio ny toko manontolo Salamo 104