Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 104:17-29 Malagasy Bible (MG1865)

17. Izay anaovan'ny voron-kely ny akaniny; Ary ny vano, dia ao amin'ny kypreso no anaovany ny tranony.

18. Ny tendrombohitra avo dia ho an'ny osi-dia; Ny harambato no fiarovana ho an'ny hyraka.

19. Nanao ny volana ho fotoana Izy, Ary ny masoandro mahalala ny filentehany.

20. Mahatonga aizina Hianao, dia tonga ny alina, Ka mivezivezy ny biby rehetra any an'ala;

21. Ny liona tanora mierona maniry toha Ka mitady ny haniny avy amin'Andriamanitra.

22. Miposaka ny masoandro, dia miverina ireny, Ary ao an-davany no amitsahany.

23. Fa ny olona kosa mivoaka ho any amin'ny taozavany, Sy ny asany mandra-paharivan'ny andro.

24. Endrey ny hamaroan'ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; Henika ny zavatra nataonao ny tany.

25. Indro ny ranomasina sady lehibe no malalaka, Any no misy zava-mihetsiketsika tsy tambo isaina, Dia zava-miaina, na kely na lehibe.

26. Any no alehan'ny sambo Sy ny trozona, izay noforoninao hilaolao any.

27. Ireo rehetra ireo miandry Anao, Mba homenao ny haniny amin'ny fotoany.

28. Manome Hianao, dia manangona izy; Manokatra ny tananao Hianao, dia voky ny soa izy;

29. Manafina ny tavanao Hianao, dia raiki-tahotra izy; Alainao indray ny ainy, dia maty izy Ka mody any amin'ny vovoka nanalana azy,

Vakio ny toko manontolo Salamo 104