Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 104:10-16 Malagasy Bible (MG1865)

10. Mampandeha loharano eny amin'ny lohasaha Izy; Eny anelanelan'ny tendrombohitra no alehan'ireny,

11. Ka isotroan'ny bibi-dia rehetra, Sy analan'ny boriki-dia ny hetahetany;

12. Eo amboniny no itoeran'ny voro-manidina; Ary eo amin'ny ran-tsan-kazo no anenoany.

13. Manondra-drano ny tendrombohitra avy amin'ny tranony ambony Izy; Ny vokatry ny asanao no mahavoky ny tany.

14. Mampaniry ahitra ho an'ny biby fiompy Izy Sy anana hahasoa ny olona. Ary mamoaka hanina avy amin'ny tany.

15. Ary divay izay mampifaly ny olona, ka mampinendonendo ny tavany mihoatra noho ny diloilo, Ary mofo hanohanana ny ain'ny olona.

16. Voky ny hazon'i Jehovah, Dia ny sederan'i Libanona, izay namboleny;

Vakio ny toko manontolo Salamo 104