Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 104:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko. Jehovah Andriamanitro ô, lehibe indrindra Hianao, Famirapiratana sy voninahitra no fitafinao,

2. Mitafy ny mazava tahaka ny lamba Izy Ary mamelatra ny lanitra tahaka ny lay,

3. Ary mametraka ny rairain-drihan'ny tranony amin'ny rano, Sady manao ny rahona matevina ho kalesiny ka mandeha amin'ny elatry ny rivotra,

4. Ary manao ny rivotra ho irany Sy ny lelafo ho mpanompony.

Vakio ny toko manontolo Salamo 104