Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Rota 4:7-11 Malagasy Bible (MG1865)

7. Ary ny amin'ny fanavotana sy ny fanakalozana teo amin'ny Isiraely fahiny hahamafy ny teny rehetra dia izao: nesorin'ny lehilahy ny kirarony ka nomeny ho an'ny namany; dia vavolombelona teo amin'ny Isiraely izany.

8. Ary hoy ilay havana mahavotra tamin'i Boaza: Vidio ho anao izany. Dia nanaisotra ny kirarony izy.

9. Ary hoy Boaza tamin'ny loholona sy ny vahoaka rehetra: Hianareo no vavolombelona androany fa efa novidiko tamin'ny tànan'i Naomy izay rehetra an'i Elimeleka sy izay rehetra an'i Kiliona sy Malona.

10. Ary Rota koa, vehivavy Moabita, vadin'i Malona, dia lasako ho vadiko hamelo-maso ny anaran'ny maty ao amin'ny lovany, mba tsy ho faty maso ny anaran'ny maty eo amin'ny rahalahiny sy eo amin'ny vavahadin'ny fonenany; ianareo no vavolombelona androany.

11. Dia hoy ny vahoaka rehetra izay teo amin'ny vavahady sy ny loholona: Eny, vavolombelona izahay; hataon'i Jehovah tahaka an'i Rahely sy tahaka an'i Lea anie izay vehivavy efa ho tonga ao an-tranonao; fa izy roa vavy no nanangana ny tranon'ny Isiraely; ary aoka ho lehibe any Efrata anie ianao, ary halaza any Betlehema anie ny anaranao;

Vakio ny toko manontolo Rota 4