Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Rota 1:13-22 Malagasy Bible (MG1865)

13. moa hahandry azy mandra-pahalehibeny va ianareo ka hijanona tsy hanam-bady? Tsia, anaka, fa mangidy lavitra ny nanjo ahy noho ny nanjo anareo; fa ny tànan'i Jehovah efa nahinjiny hamely ahy.

14. Dia samy nanandratra ny feony indray izy roa vavy ka nitomany; ary Orpa dia nanoroka ny rafozani-vavy, fa Rota kosa nifikitra taminy ihany.

15. Ary hoy izy: Indro ny rahavavinao lasa nody ho any amin'ny fireneny sy ny andriamaniny ka mba miverena ianao koa hanaraka ny rahavavinao.

16. Fa hoy Rota: Aza manery ahy handao anao sy hiala amin'ny fanarahana anao; fa izay alehanao no halehako ary izay itoeranao no hitoerako, ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro;

17. izay tany hahafatesanao no hahafatesako, sady any koa no handevenana ahy; hataon'i Jehovah amiko anie izany, eny mihoatra noho izany aza, raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka antsika.

18. Ary rehefa hitany fa mbola mikikitra homba azy ihany Rota, dia nitsahatra tsy niteny taminy intsony izy.

19. Dia nandeha izy mianaka mandra-pahatongany tany Betlehema. Ary rehefa tonga tany Betlehema izy, dia taitra taminy ny tanàna rehetra, ka hoy ny vehivavy hoe: Naomy va re ity?

20. Fa hoy izy taminy: Aza atao hoe Naomy intsony aho, fa ataovy hoe Mara, satria mangidy indrindra ny nataon'ny Tsitoha amiko.

21. Nivoaka nanam-be aho, fa ampodin'i Jehovah tsy manana na inona na inona. Nahoana aho no ataonareo hoe Naomy, fa Jehovah efa nitsangan-ko fahavaloko, ary ny Tsitoha efa nampahory ahy?

22. Dia niverina Naomy, ary Rota, vehivavy Moabita, vinantoni-vavy. nomba azy tamin'izy niverina avy tany amin'ny tany Moaba; dia tonga tao Betlehema izy tamin'ny niandohan'ny taom-pijinjana ny vary hordea.

Vakio ny toko manontolo Rota 1