Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 8:27-36 Malagasy Bible (MG1865)

27. Raha namorona ny lanitra Izy, dia tany aho, Raha namaritra ny hababakaka tambonin'ny lalina Izy,

28. Raha nampitoetra ny rahona eny ambony Izy, Raha niboiboika fatratra ny loharanon'ny lalina,

29. Raha nanisy faritra ho an'ny ranomasina Izy, Mba tsy hahazoan'ny rano mihoatra ny fetrany, Ary nandidy ny amin'ny fanorenan'ny tany,

30. Dia mpità-marika teo anilany aho Sady ravoravo isan'andro isan'andro Ka nilalao mandrakariva teo anatrehany;

31. Eny, nahafaly ahy ny tany nataony honenana, Ary naharavoravo ahy ny zanak'olombelona.

32. Koa mihainoa ahy ianareo, anaka; Fa sambatra izay manaraka ny diako;

33. Minoa anatra, ka hendre, Fa aza mandà.

34. Sambatra izay olona mihaino ahy Ka miari-tory mandrakariva eo am-bavahadiko, Ary miandry eo amin'ny tolam-baravarako.

35. Fa izay mahita ahy dia mahita fiainana Sady mahazo sitraka amin'i Jehovah;

36. Fa izay diso ahy kosa mampidi-doza amin'ny fanahiny; Ary izay rehetra mankahala ahy tia fahafatesana.

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 8