Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 8:15-29 Malagasy Bible (MG1865)

15. Izaho no anjakan'ny mpanjaka Sy andidian'ny mpanapaka araka ny rariny;

16. Izaho no anapahan'ny andriandahy sy ny lehibe, Dia ny mpitsara rehetra amin'ny tany.

17. Tiako izay tia ahy; Ary izay fatra-pitady ahy dia hahita ahy.

18. Ato amiko ny harena sy ny voninahitra, Eny, ny harena mateza sy ny fahamarinana.

19. Ny vokatro dia tsara noho ny volamena, eny, noho ny tena volamena aza, Ary ny fitomboan'ny hareko mihoatra noho ny volafotsy voafantina.

20. Amin'ny alehan'ny fahamarinana no izorako, Dia ao amin'ny lalan'ny fitsarana marina,

21. Mba hampandovako harena izay tia ahy, Sy hamenoako ny firaketany.

22. Jehovah nahary ahy ho fiandohan'ny alehany, Ho voalohany amin'ny asany hatramin'ny taloha.

23. Izaho notendreny hatramin'ny fahagola, Eny, hatramin'ny voalohany indrindra, dia fony tsy mbola ary ny tany.

24. Fony tsy mbola ary ny lalina, no efa teraka aho, Fony tsy mbola ary ny loharano miboiboika be,

25. Fony tsy mbola naorina ny tendrombohitra, Fony tsy mbola nisy havoana, no efa teraka aho,

26. Fony tsy mbola natao ny tany, na ny saha, Na ny voalohan'ny vovo-tany ambonin'izao rehetra izao.

27. Raha namorona ny lanitra Izy, dia tany aho, Raha namaritra ny hababakaka tambonin'ny lalina Izy,

28. Raha nampitoetra ny rahona eny ambony Izy, Raha niboiboika fatratra ny loharanon'ny lalina,

29. Raha nanisy faritra ho an'ny ranomasina Izy, Mba tsy hahazoan'ny rano mihoatra ny fetrany, Ary nandidy ny amin'ny fanorenan'ny tany,

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 8