Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 8:11-24 Malagasy Bible (MG1865)

11. Fa ny fahendrena dia tsara noho ny voahangy; Ary ny zavatra irina rehetra tsy azo ampitahaina aminy.

12. Izaho fahendrena dia miara-monina amin-tsaina, Ary hitan'ny fahalalako ny fisainana mazava.

13. Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an'i Jehovah. Ny fiavonavonana sy ny fireharehana sy ny lalana ratsy Ary ny vava fandainga dia samy halako avokoa.

14. Ahy ny fisainana sy ny fanambinana; Izaho no fahalalana, izaho no manan-kery;

15. Izaho no anjakan'ny mpanjaka Sy andidian'ny mpanapaka araka ny rariny;

16. Izaho no anapahan'ny andriandahy sy ny lehibe, Dia ny mpitsara rehetra amin'ny tany.

17. Tiako izay tia ahy; Ary izay fatra-pitady ahy dia hahita ahy.

18. Ato amiko ny harena sy ny voninahitra, Eny, ny harena mateza sy ny fahamarinana.

19. Ny vokatro dia tsara noho ny volamena, eny, noho ny tena volamena aza, Ary ny fitomboan'ny hareko mihoatra noho ny volafotsy voafantina.

20. Amin'ny alehan'ny fahamarinana no izorako, Dia ao amin'ny lalan'ny fitsarana marina,

21. Mba hampandovako harena izay tia ahy, Sy hamenoako ny firaketany.

22. Jehovah nahary ahy ho fiandohan'ny alehany, Ho voalohany amin'ny asany hatramin'ny taloha.

23. Izaho notendreny hatramin'ny fahagola, Eny, hatramin'ny voalohany indrindra, dia fony tsy mbola ary ny tany.

24. Fony tsy mbola ary ny lalina, no efa teraka aho, Fony tsy mbola ary ny loharano miboiboika be,

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 8