Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 8:1-12 Malagasy Bible (MG1865)

1. Tsy miantso va ny fahendrena, Ary tsy manandra-peo va ny fahalalana?

2. Eo an-tampon'ny fitoerana avo amoron-dalana Sy eo an-tsampanan-dalana no ijoroany.

3. Eo anilan'ny vavahady, amin'ny fidirana ho ao an-tanàna, Sy eo anaty vavahady no iantsoany maty hoe:

4. Hianareo no antsoiko, ry olona; Ary ny feoko ho amin'ny zanak'olombelona.

5. Fantaro ny fahendrena, ry kely saina; Ary fantaro ny fahalalana, ry adala.

6. Henoy, fa hilaza zava-tsoa aho; Ary ny hilaza ny mahitsy no isokafan'ny molotro.

7. Fa ny marina ihany no holazain'ny vavako; Ary ny ratsy dia fahavetavetana, raha amin'ny molotro.

8. Marina ny teny rehetra aloaky ny vavako; Tsy misy fiolakolahana na fitaka ao aminy.

9. Miharihary avokoa izy, raha amin'ny mazava saina, Ary mahitsy, raha amin'ny efa nahazo fahalalana.

10. Aza ny volafotsy no raisina, fa ny anatro, Ary aleo ny fahalalana toy izay ny volamena voafantina.

11. Fa ny fahendrena dia tsara noho ny voahangy; Ary ny zavatra irina rehetra tsy azo ampitahaina aminy.

12. Izaho fahendrena dia miara-monina amin-tsaina, Ary hitan'ny fahalalako ny fisainana mazava.

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 8