Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 7:4-11 Malagasy Bible (MG1865)

4. Ny fahendrena dia ilazao hoe: Anabaviko ianao; Ary ny fahafantarana dia antsoy hoe: Sakaiza mahazatra ianao;

5. Mba hiarovana anao amin'ny vehivavy jejo, Dia amin'ny vahiny janga izay manao teny mandrobo.

6. Fa teo amin'ny varavarankelin'ny tranoko, Dia teo amin'ny makarakara, no nitsirihako,

7. Ka nahita anankiray tamin'ny kely saina aho, Eny, nandinika ny tovolahy aho ka nahita zazalahy anankiray tsy ampy saina,

8. Izay nandeha tamin'ny lalana akaikin'ny zoron-tranon'ny vehivavy janga Sy nizotra nankany an-tranony,

9. Nony takariva ilay somambisamby iny Sy tamin'ny alina efa maizina dia maizina.

10. Dia, indro, nisy vehivavy nitsena azy Sady manao fitafin'ny janga no mifetsy am-po,

11. Sady vavàna no maditra, Tsy mahajanona ao an-tranony ny tongony;

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 7