Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 7:23-27 Malagasy Bible (MG1865)

23. Ambara-piboroaky ny lefom-pohy amin'ny atiny, Ary tahaka ny vorona mipaoka ny fandrika, Fa tsy fantany hahafaty ny ainy izany.

24. Koa mihainoa ahy ianareo, anaka, Ary tandremo ny teny aloaky ny vavako.

25. Aoka tsy hivily ho any amin'ny lalany ny fonareo, Ary aza mania ho amin'ny alehany.

26. Fa betsaka no naripany ka maty; Ary maro be no efa matiny.

27. Ny tranony dia lalana mankany amin'ny fiainan-tsi-hita, Eny, midina ho any amin'ny efi-tranon'ny fahafatesana.

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 7