Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 7:14-23 Malagasy Bible (MG1865)

14. Efa nivoady hanatitra fanati-pihavanana aho; Ary androany no nanefako ny voadiko.

15. Koa dia nivoaka hitsena anao aho, Mba hitady fatratra ny tarehinao, ka dia nahita anao tokoa.

16. Ny fandriako efa nasiako firakotra tsara, Dia lambam-pandriana misoratsoratra voafoly hatrany Egypta.

17. Efa norarahako zava-manitra ny fandriako, Dia miora sy hazomanitra ary havozo manitra.

18. Andeha, aoka isika hivoky fitia ambara-pahamarain'ny andro, Aoka ho feno fahafinaretana amin'ny fitiavana isika.

19. Fa tsy ao an-trano ny lehilahy, Fa lasa nivahiny lavitra izy;

20. Ny kitampom-bola dia nentiny any an-tànany, Ka tsy mbola hody izy mandra-pahafenon'ny volana.

21. Tamin'ny teny maro no nampanekeny azy, Tamin'ny fandroboan'ny molony no nitaomany azy,

22. Ka dia nandeha nanaraka azy niaraka tamin'izay ilay zatovo, Tahaka ny omby entina hovonoina, Ary tahaka ny adala hogadrana,

23. Ambara-piboroaky ny lefom-pohy amin'ny atiny, Ary tahaka ny vorona mipaoka ny fandrika, Fa tsy fantany hahafaty ny ainy izany.

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 7