Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 6:10-25 Malagasy Bible (MG1865)

10. Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany, Ary mbola hanohon-tanana kely hatory,

11. Dia ho tonga toy ny lehilahy mimaona hamely ny alahelonao, Ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy.

12. Ny olona tena ratsy fanahy sy mpanao ratsy Dia ilay mandehandeha manao vava ratsy,

13. Izay mami-maso sy manao famantarana amin'ny tongony Ary manao baiko amin'ny rantsan-tànany;

14. Fahafetsena no ao am-pony, Mihevi-dratsy mandrakariva izy Sady mamafy ady.

15. Ary noho izany dia ho avy tampoka kosa ny loza hanjo azy; Ho torotoro tampoka izy, ka tsy hisy fahasitranana.

16. Izao enina izao no halan'i Jehovah, Eny, fito no ataony ho fahavetavetana:

17. Ny maso miavonavona, ny lela fandainga, Ary ny tanana mandatsa-drà marina,

18. Ny fo mamoron-tsain-dratsy, Ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy,

19. Ny mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina, Ary ny mamafy ady ao amin'ny rahalahy.

20. Anaka, tandremo ny didin-drainao, Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao.

21. Afatory amin'ny fonao mandrakariva ireo, Ary afehezo eo am-bozonao,

22. Raha mandeha ianao, dia hitari-dalana anao ireo; Raha mandry ianao, dia hiambina anao; Ary raha mifoha ianao, dia hamelona eritreritra anao.

23. Fa jiro ny didy, ary fanazavana ny lalàna, Ary lalan'aina ny anatra famaizana,

24. Hiarovana anao amin'ny vehivavy ratsy fanahy, Ary amin'ny fandroboan'ny lelan'ny vahiny janga.

25. Aoka ny fonao tsy haniry ny hatsaran-tarehiny; Ary aoka tsy hahazo anao amin'ny hodimasony izy.

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 6