Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 6:1-18 Malagasy Bible (MG1865)

1. Anaka, raha niantoka ny namanao ianao Ary nandray tanana hiantoka ny hafa,

2. Ka voafandriky ny teny naloaky ny vavanao ianao Sady voasingotry ny teny naloaky ny vavanao,

3. Dia izao no ataovy, anaka, ka afaho ny tenanao (Satria efa mby eo an-tanan'ny namanao ianao): Andeha mihohoka sy mifona mafy amin'ny namanao.

4. Aza avela hatory akory ny masonao, Ary aza avela hilondolondo ny hodimasonao.

5. Afaho ny tenanao toy ny gazela miala amin'izay mihazona azy, Ary toy ny voron-kely miala amin'ny tanan'ny mpamandrika.

6. Mandehana any amin'ny vitsika, ry ilay malaina; Diniho ny fanaony, ka mba hendre;

7. Tsy manana komandy ireny, Na mpifehy, na mpanapaka,

8. Nefa mamory ny haniny raha fahavaratra izy, Ary manangona ny fihinany amin'ny fararano.

9. Mandra-pahoviana no mbola handry ihany ianao, ry ilay malaina? Rahoviana no hifoha amin'ny torimasonao ianao?

10. Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany, Ary mbola hanohon-tanana kely hatory,

11. Dia ho tonga toy ny lehilahy mimaona hamely ny alahelonao, Ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy.

12. Ny olona tena ratsy fanahy sy mpanao ratsy Dia ilay mandehandeha manao vava ratsy,

13. Izay mami-maso sy manao famantarana amin'ny tongony Ary manao baiko amin'ny rantsan-tànany;

14. Fahafetsena no ao am-pony, Mihevi-dratsy mandrakariva izy Sady mamafy ady.

15. Ary noho izany dia ho avy tampoka kosa ny loza hanjo azy; Ho torotoro tampoka izy, ka tsy hisy fahasitranana.

16. Izao enina izao no halan'i Jehovah, Eny, fito no ataony ho fahavetavetana:

17. Ny maso miavonavona, ny lela fandainga, Ary ny tanana mandatsa-drà marina,

18. Ny fo mamoron-tsain-dratsy, Ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy,

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 6