Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 4:8-16 Malagasy Bible (MG1865)

8. Asandrato izy, dia hanandratra anao kosa Eny, hanome voninahitra anao izy, raha tananao.

9. Dia hasiany fehiloha mahafinaritra ny lohanao; Eny, satro-boninahitra tsara tarehy no homeny anao.

10. Anaka, mihainoa, ka raiso ny teniko; Dia hihamaro ny taona hiainanao.

11. Làlam-pahendrena no atoroko anao: Eny, mitarika anao amin'ny lalana mahitsy aho.

12. Raha mandeha ianao, dia tsy ho etỳ ny lalanao; Ary raha mihazakazaka ianao, dia tsy ho tafintohina.

13. Tano mafy ny fananarana, ka aza avela hiala; Hazony izy, fa ainao.

14. Aza mankany amin'ny alehan'ny ratsy fanahy, Ary aza mizotra amin'ny lalan'ny ratsy.

15. Manalavira azy; aza mandalo eo akory; Mivilia azy, ka mizora.

16. Fa tsy matory ireny, raha tsy efa nanao ratsy; Ary tsy mahita torimaso izy, raha tsy efa nanafintohina ny sasany.

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 4