Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 4:21-27 Malagasy Bible (MG1865)

21. Aza avela hiala eo imasonao izy, Fa raketo ao am-ponao.

22. Fa aina ho an'ny mahazo azy izy Ary fahasalamana ho an'ny nofony rehetra.

23. Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; Fa avy ao aminy no ihavian'ny aina.

24. Esory aminao ny vava mandainga, Ary ampanalaviro anao ny molotra mamitaka.

25. Aoka ny masonao hijery mahitsy, Ary ny hodimasonao hibanjina eo anoloanao.

26. Ataovy marina ny alehan'ny tongotrao, Dia ho voalamina ny alehanao rehetra;

27. Aza mivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia; Esory amin'ny ratsy ny tongotrao.

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 4