Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 4:15-26 Malagasy Bible (MG1865)

15. Manalavira azy; aza mandalo eo akory; Mivilia azy, ka mizora.

16. Fa tsy matory ireny, raha tsy efa nanao ratsy; Ary tsy mahita torimaso izy, raha tsy efa nanafintohina ny sasany.

17. Fa mihinana ny mofon'ny faharatsiana izy, Sy misotro ny divain'ny fahalozàna.

18. Fa ny lalan'ny marina dia toy ny fipoak'andro maraina, Izay mihamazava mandra-pitataovovonan'ny andro.

19. Ny alehan'ny ratsy fanahy dia toy ny aizim-pito; Tsy fantany akory izay manafintohina azy.

20. Anaka, tandremo ny teniko; Atongilano ny sofinao hihaino ny filazako.

21. Aza avela hiala eo imasonao izy, Fa raketo ao am-ponao.

22. Fa aina ho an'ny mahazo azy izy Ary fahasalamana ho an'ny nofony rehetra.

23. Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; Fa avy ao aminy no ihavian'ny aina.

24. Esory aminao ny vava mandainga, Ary ampanalaviro anao ny molotra mamitaka.

25. Aoka ny masonao hijery mahitsy, Ary ny hodimasonao hibanjina eo anoloanao.

26. Ataovy marina ny alehan'ny tongotrao, Dia ho voalamina ny alehanao rehetra;

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 4