Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 31:10-14 Malagasy Bible (MG1865)

10. Iza no mahita vehivavy tsara? Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy.

11. Matoky azy ny fon'ny lahy, Ary tsy mitsahatra ny fanambinana azy.

12. Soa no ataon-dravehivavy aminy, fa tsy ratsy, Amin'ny andro rehetra iainany.

13. Mizaha volon'ondry sy rongony izy Ary mazoto miasa amin'ny tànany.

14. Toy ny sambon'ny mpandranto izy, Ka avy any amin'ny lavitra no itondrany ny haniny.

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 31