Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 30:7-23 Malagasy Bible (MG1865)

7. Zavatra roa loha no angatahiko aminao; Ka aza lavinao, dieny tsy mbola maty aho:

8. Ampanalaviro ahy ny zava-poana sy ny lainga; Aza manome ahy alahelo na harena; Fahano aho amin'izay anjara-hanina sahaza ho ahy;

9. Fandrao, raha voky aho, dia handà Ka hanao hoe: Iza moa Jehovah? Ary andrao, raha tonga malahelo aho, dia hangalatra Ka hanamavo ny anaran'Andriamanitro.

10. Aza manendrikendrika ny mpanompo amin'ny tompony, Fandrao hozoniny ianao ka hahazo heloka.

11. Misy taranaka izay manozona ny rainy Sady tsy misaotra ny reniny.

12. Misy taranaka manao azy ho madio, Kanjo tsy voasasa ho afaka amin'ny fahalotoany.

13. Misy taranaka, endrey ny fiandrandran'ny masony Sy ny fisondrotry ny hodi-masony!

14. Misy taranaka izay toy ny sabatra ny nifiny, Ary toy ny antsy ny vazany, Hamongotra ny ory tsy ho amin'ny tany Sy ny malahelo tsy ho amin'ny olona.

15. Ny dinta manan-janakavavy roa, dia ny hoe: Omeo, Omeo. Misy zavatra telo tsy mety voky, Eny, efatra aza no tsy manao hoe: Aoka izay:

16. Ny fiainan-tsi-hita; sy ny kibo momba, Ny tany izay tsy vonton-drano, Ary ny afo koa no tsy mba manao hoe: Aoka izay.

17. Ny maso izay miandranandrana amin-dray Sady tsy mety manaja reny Dia hotsaingotsaingohin'ny goaika eny an-dohasahan-driaka Ary hohanin'ny zana-boromahery.

18. Misy zavatra telo mahagaga ka tsy takatro, Eny, efatra aza no tsy fantatro:

19. Ny nalehan'ny voromahery teny amin'ny habakabaka, Ny nalehan'ny bibilava teny amin'ny vatolampy, Ny nalehan'ny sambo teny amin'ny ranomasina, Ary ny nalehan'ny lehilahy tamin'ny tovovavy.

20. Tahaka izany koa no fanaon'ny vehivavy mpijangajanga: Homana izy, dia mamafa ny vavany, Ka dia manao hoe: Tsy nanao ratsy aho.

21. Izao fitondrana telo izao no tsy mampandry ny tany, Eny, zavatra efatra aza no tsy zakany;

22. Raha ny andevo no tonga mpanjaka, Raha ny adala no voky hanina,

23. Raha ny vehivavy lany zara no ampakarina, Ary raha ny ankizivavy no mandova ny tompovaviny.

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 30