Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 30:20-33 Malagasy Bible (MG1865)

20. Tahaka izany koa no fanaon'ny vehivavy mpijangajanga: Homana izy, dia mamafa ny vavany, Ka dia manao hoe: Tsy nanao ratsy aho.

21. Izao fitondrana telo izao no tsy mampandry ny tany, Eny, zavatra efatra aza no tsy zakany;

22. Raha ny andevo no tonga mpanjaka, Raha ny adala no voky hanina,

23. Raha ny vehivavy lany zara no ampakarina, Ary raha ny ankizivavy no mandova ny tompovaviny.

24. Izao zavatra efatra izao dia kely amin'ny etỳ ambonin'ny tany, Nefa hendry sady mahay:

25. Ny vitsika dia firenena tsy matanjaka, Nefa manangona ny haniny amin'ny fahavaratra izy;

26. Ny biby hyraka dia firenena tsy manan-kery, Nefa manao ny tranony ao amin'ny harambato izy;

27. Ny valala tsy manana mpanjaka, Nefa izy rehetra miainga manao antokony tsara;

28. Ny antsiantsy dia mandady amin'ny tànany, Nefa tonga ao an-tranon'ny mpanjaka izy.

29. Misy zavatra telo izay tsara famindra, Eny, efatra aza no tsara fandeha;

30. Dia ny liona, izay mahery indrindra amin'ny biby Ka tsy mihemotra na amin'inona na amin'inona,

31. Ny soavaly voaomana hiady sy ny osilahy Ary ny mpanjaka tsy azo toherina.

32. Raha adala ka nanandra-tena ianao, Na efa nisaina hanao ratsy, Dia tampeno ny tananao ny vavanao.

33. Ny fanontsankontsanana ny ronono no miteraka rononomandry, Ny fanolanana ny orona no miteraka rà; Ary ny fanetsiketsehana ny fahatezerana no miteraka ady.

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 30